Fihaonana lehibe indrindra erak'izao tontolo izao ho an'ny fiteny iray: ny Korrika

  • Ny 30 Martsa ho avy izao hanomboka ny hetsika goavam-be Korrika mba hahafahan'ny firenena iray manohana ny fiteniny.Anarivony maro izao ny olona hiara-mientana sy hifandray tanana haneho fa ny fiteny no maha firenena ny firenena. Hankalazaina mandritran'ny 11 andro sy folo alina ny Korrika hamakivaky renivohitra sy tanana misy eto Pays Basque tsy mitrahatra ny hazakazaka ka mahatratra 2300 kilometatra ny halavany. Pays Basque dia firenena iray ao Europa izay mampifandray an'i Frantsa sy Hispania.


2017ko martxoaren 30an - 13:58

Eto ambany ny santionan'ny sary mihetsika tamin'ny Korrika farany teo:

Ny mpikarakaran'ny Korrika dia mampita hafatra miafina amin'ny alalan'ny tapakazo na "temoin" izay ho vakina amin'ny fahatongavan'ny mpihazakazaka. Marihina fa zava_dehibe ny fitondrana tapakazo izay mitondra tombokasen'ny Pays Basque. Ny isam-batan'olona na antoko na fikambanana "mividy" ny kilometatra mba hanohanana ny fiteny Euskara. Ny ivotoerana AEK izay mampianatra io teny io sy mampianatra olon-dehibe mamaky teny sy manoratra no mikarakara ny hazakazaka Korrika ka ny vola tafangona amin'izany dia entina hanohanana ny fampianarana ny fiteny voalaza etsy ambony.

Ny Euskara dia eo andalam-pahaverezana na dia ampiasain'olona analiny maro aza arakan'ny fanambaran'ny UNESCO. Voa-porofo izany amin'ny faritra vitsitsy nefa kosa fiteny ofisialy ny Euskara amin'ny faritra sisa na dia tsy fampiasa tanteraka manerana ny firenena iray manontolo. Ny Korrika dia hetsika mampifandray ny mpiray tanindrazana haneho hafaliana sy firaisankina ary tolona ho fanohanana ny fiteniny.

Ny hetsika Korrika izay karakarain'ny AEK dia noforonin'ny  fikambanan'ny olon-tsotra vitsivitsy.Ankalazaina isakin'ny roa taona ny hetsika ka ity no andiany faha 19.Nahitana vokatra ny hetsika ka maro ny  firenena manao toy izany koa mba hitandrovany ny teniny tahaka ny: Irlanda, Bretagne, Pays de Galles, etc.

Fa nahoana ny Euskara no mila ny Korrika?

nisedra olana mafy ny Euskara nandritra ireo  taon-jato telo farany.Voasazy mafy ny miteny Euskara ka Dina, fanagedrana miampy daroka no mahazo raha tratra miteny Euskara.Ny politika,fanagedrana ara-tsaina no fitaovana nampiasaina hanafoanana ny Euskara mba hampiasana ny teny frantsay sy espagnole fotsiny ihany.

Ny "peratra" no marikiny ny fanagedrana nahazo ny Euskera, izany hoe tany an-tsekoly tsy azo atao ny miteny Euskera ka ny ankizy izay tratra miteny izany dia omena peratra ka manao toy izany koa amin'ny hafa ka izay ahatrarana ny peratra ny faran'ny herin'andro dia voasazy mafy.Noho izany dia maro ny nankahala tanteraka ny miteny Euskara ary maro amin'ireo ray aman-dreny aza malaina mampita ny Euskara amin'ny zanany.Maro ny vavolombelona milaza fa ny fampiharana ny "peratra" dia nadritra ireo taon-jato roa farany ka maro ny nitodra takaitra ka tsy mety manadino izany habibiana izany.

Nandritra ny fanjakana didi-jadona 40 taona,ny Euskara dia  tsy azo ampiasaina eny fa na eny andalam-be aza dia feno mpitandro filaminana mihaino sy miambina ary manaramaso izay miteny Euskara ka manasazy azy. Nofoanana tanteraka ny Euskara eo amin'ny fianan'ny mponina an-davan'andro.

Nanomboka tamin'ny taona 50 ka nohamafisina tamin'ny taona 60,niforona ny ivotoerana miafina manohana ny Euskara. Taona 70, maro ny vahoaka liana ka nanomboka nianatra namaky sy nanoratra amin'ny teny Euskara. Noho izany niforona ny AEK ka raha vao nifarana ny fanjakana didi-jadona espagnola ny taona 1980,nitady famatsiam-bola ny AEK ho entina hanaparitahana ny Euskara izany indrindra no niterahan'ny hetsika KORRIKA.

35 taona lasa izay,ny Euskara tsy mbola fiteny ofisialy amin'ny faritra maro mampiasa azy.Ireo sekoli-mpanjakana koa tsy mbola mampiasa izany any an-tsekoly.Anarivony maro izao ny ankizy mandeha kilometatra maromaro isan-taona mba hahafahana mianatra Euskara any an-toe-kafa voatokana amin'izany: "Ikastola". Fa amin'ny faritra hafa izay nampiasa ny Euskara ho ofosialy kosa dia nenjehin'ny fanjakana espagnola.Porofon'izany ny nanakatonany ny gazety " Egunkaria" tamin,ny taona 2003.Niforona  io gazety io nohon'ny fitia tsy mba hetran'ny mponina.Mafy ny nahazo ireo mpiasan'ny gazety Engunkaria nataon'ny polisy espagnola toy ny fanitsakitsahana ny zo maha olombelona ka maro ny tsy mety manadino izany habibiana izany.

Any Frantsa,ny teny frantsay no fiteny ofisialy,nisy ny fanenjehana ireo "Ikastola" izay miompana amin'ny fampianarana ny teny Euskara ary koa ny tanana iray izay nanao ny Euskara ho fiteniny ofisialy tamin'ny taona lasa ny volana janoary.

miara-mientana amin'ny Korrika, Euskara mandroso

Ireo manampahaizana milaza fa ho foana ny antsasakin'ireo fiteny 7000 manerantany amin'ity taon-jato ity na dia eo aza ny ezaka hanatsarana izany.Nefa kosa ireo mponinan'ny  Pays Basque dia tsy manaiky ny hahavery ny fiteniny.

Eny amin'ny toerana maro samy hafa toy ireo lapan'ny tanana, toera-pivarotana na fitafy...sns dia saika ahitana ny teny Euskara koa satria "ny Euskara no hany toerana tokan'ny fahafahan-tsika."

Tsy foana ny fiteny anakiray raha toa ka ny tsy mahafantatra azy no tsy mianatra azy fa ny mahafantatra azy ka tsy mampiasa azy. Mahafinaritra ery miahaino anao miteny Euskara nohon'ny fiaraha-mientan'ny tsirairay hampandroso ny hetsika "korrika"izay mitaky ny fahatsoram-pon'ny isam-batan'olona mba hahatsarana ny tanjona.

Trans: Pierrot Vaovolo


Kanal honetatik interesatuko zaizu: Korrika
2024-03-25 | Leire Artola Arin
Burbuilaren ostean badago zer erein

Irundik Baionara, ezin ezkutatuzkoa izan da 23. Korrikak eragindako harrotasuna. ‘Herri Harro’ leloak zentzua hartu duela ikusi dugu lekuko hartzaileen aurpegietan, eta atzetik euskararen alde oihuka aritu diren korrikalariengan. Bakoitzak bere gorputzetik eta bere... [+]


Inoizko Korrikarik ikusiena izan da

1.700.000 ikustaldi izan ditu EiTBren emanaldiak –Hamaika TBrenak gehitu behar zaizkio–. Pozik agertu dira AEKko arduradunak: “Inoizko Korrikarik erraldoi eta anbiziotsuena lortu dugu, herria harro egoteko modukoa”.


Ane Elordi: "Batasunaren Korrika izan da"

11 egunetan bizipen hunkigarri asko bizi dituela esan du Ane Elordik Euskadi Irratian. “Aje emozionala, bi urtetan egindako lana, kideak ondoan izanik, eskertza, babesa, Euskal Herri osoa Baionan elkartu da... Momentu oso bereziak bizi izan ditugu azken egunean”.


Eguneraketa berriak daude